Epistola Voalohan'i Md. Joany

Toko faha-2

15 Aza tia izao tontolo izao, na ny zavatra amin'izao tontolo izao. Fa izay tia an'izao tontolo izao dia tsy manana ny fitiavana ny Ray ao anatiny.

16 Satria ny zavatra rehetra amin'izao tontolo izao, ny filàn'ny nofo, ny fitiavan'ny maso, ny rehaka amin'izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao. 17 Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitra-pon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1212